Andro fiakarana

2024-05-197h15

Haleloia, deraina ny Tompo!

Ry havana malala, 

Fantatrao ve fa hoavy indray Jesosy?

Vao nankalaza ny Fiakaran’ny Tompo tany andanitra isika ny Alakamisy 9 May lasa teo( Ascension).

A/ Fa lasa nankaiza tokoa moa Jesosy taorian’ny fitsanganany t@ ny maty?

= Jao.14:12= nankany @ Rainy

B/ Aiza ny lalana mankany?

Jao.14:6= Jesosy irery ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana! Tsy misy mankany @ ny Ray afa-tsy @ alalany!

C/Hanao inona any Jesosy?

= Hamboatra toerana hoantsika olomboavonjy=Jao.14:2..

D/ Dia hiverina indray haninona?

= Haka ny mpino hoany aminy. Jao.14:3

E/ Rahoviana izany?

Rehefa vonona ilay toerana!

=@ fotoana tsy ampoizina= Mat.24:27;25:13

= Tsis mahalala afa-tsy ny Ray ihany =Mat.24:36; 1 Tes.4:16-17

F/ Inona ary no tokony hataoko e?

Sao hoavy anio alina Jesosy!

= Miomana mandrakariva= Mat.25:13

=Miambina= Mat.24:42,44

= Aza matory= 1 Tes.5:6

= Maharitra = Jak.5:8

Koa raha hoavy anio alina = Asa.1:9-11, moa vonona ianao? Hoan’isan’izay hotafakatra ve sa mbola hovesaran’ny loton’ity tany ity sy fahoriany ?

Ndeha re hifoha e, ka hiomana sy hiambina mba ho isan’ireo virijina 5 adala! Mbola mba virijina ihany nefa adala: tsy niambina fa natory ka tara fidirana teo ambavahadin’ny lanitra!

Mbola mivoha hoanao ny vavahadin’ny lanitra ka hararaoty sa tratra aoriana indray. 

Ny fahasoavan’ny Tompo Jesosy hoaminareo rehetra!

Amena.