Iny Jesosy iny

2025-04-218h29

Fantatrao ve Jesosy?

Efa henonao ve ny nataon’i Jesosy?

Tadidinao ve ny fampianarany?

Hainao ve ny anton-diany tety an-tany?

Fantatrao ve ny nanjo Azy?

Tadidinao ve ny hafatra napetrany?

Inona ny lesona voarainao ny Aminy?

Inona kosa no ataonao an’i Jesosy ankehitriny?

Manao ahoana ny fanomananao ny fiverenan,i Jesosy?

Moa vonona ve ianao raha hiverina Jesosy? Anisan’ireo izay hahazo ny hoe « Ry mpanompo tsara sady mahasoa ve ianao? »

Satria « iny Jesosy iny… dia mbola ho avy.  » Asa 1.11. Ary rehefa ho avy Izy dia hitsara.

Ndao ary, diniho ny tenanao, inona ny valin’ireo fanontaniana ireo eo amin’ny fiainanao? Miomàna e hihaona amin’Andriamanitrao.

Tsy kilalao ny fanompoana, tsy kilalao ny fivavahana, tsy facultatif ny ara-panahy.. fa rehefa nampahafantarina anao ny amin’i Jesosy dia tsy afa-miala intsony ianao satria efa voafidy ianao izay.