Ilay zana-boriky
Ry havana malala,
Izao herinandro mialohan’ny Paska izao mampahatsiaro ahy ny tantarako manokana isaky ny mamaky momban’ilay zana-boriky mifatotra nasain’i Jesosy nalain’ny mpianany aho: » Vahao izy ka ento ety amiko »(Mat.21:2).
Ndeha hiakatra an’i Jerosalema tokoa mantsy Jesosy no te-haneho @ mpianatra ny maha-izy Azy, sy ny antondiany tety.
Koa te-hanatanteraka izay voalazan’ny Mpaminany Zakaria Izy( Zak.9:9) = hiditra ao Jerosalema mitaingina zana-boriky, dia naniraka mpianatra haka izany hitondra Azy.
Ny mahagaga dia ery ampita tsy taza-maso ery ilay vohitra, nefa fantatr’i Jesosy ilay zana-boriky mifatotra sy ny reniny (tsy mbola nitaingenan’olona). Tena fantany izaho sy ianao! Fantany koa ny olona manodidina anao !
Inona no havaly raha misy misakana? Dia nomeny ny valiteny ilain’ny olona = » Misy raharaha ilan’ny Tompo azy! ».
Dia nankatoa ny mpianatra ka nandeha ary dia nahita tokoa araka zay voalazan’i Jesosy taminy! = Tena Mpaminany tokoa Jesosy!
Ilay zana-boriky nifatotra avy eo lasa afaka ka nisandratra, nahazo promotion: nitondra ny Mpanjakan’ny voninahitra!
Ry havana malala, tena izaho mihitsy io zana-boriky nifatotra io: voafatotry ny ota sy ny famoizampo, toa irery tsy nisy mpijery, nefa hitan’i Jesosy ka nanirahany mpianatra : amerikana mpivady iray tonga tany Madagascar, tany Toamasina mihitsy miaraka @ lakle namahany ny fatorako, dia ny Tenin’A/tra velona, ka afaka ary nentiny teo @ Jesosy, dia zao lasa mpitory ny Anaran’i Jesosy hatraty amparan’ny tany zao noho ny heriny mahagaga!
Fa ianao kosa, mba fantatrao ve fa Mpaminany Jesosy, sady Mpanjaka lehibe koa zay mahalala anao loatra ka naniraka izao hafatra izao hamaha ny fatoranao fa ho avy ity ny Paska ho fandresena hoanao !
Manaiky ve ianao hoentina eo @ Jesosy mba hoampiasainy ?
Haleloia! Ny fiadanan’ny Tompo hoaminao. Mahereza na hisy aza ny fanenjehana fa tsy maintsy mandresy foana Jesosy e!
Amena!