Soratra Masina isanandro

2024-02-163h01

Jakoba 1

Jakoba, mpanompon’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin’ny folo monina any am-pielezana. 

2 Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy samy hafa ianareo, 

3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. 

4 Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona. 

5 Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. 

6 Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany.