Neny!!!
Haleloia, deraina ny Tompo!
Arahabaina tratry ny fetinareo Reny anio eto Canada sy Etazonia!
Mangataka aho mba hoambinina sy ho salama hatrany anie ianareo tahaka ny hanambinana ny fanahinareo ihany!
Ka hotanterahin’i Jehovah anie zay hangatahinareo rehetra!
Fa iza tokoa moa ny Reny? Ary miteny momba ny Reny ve ny Baiboly?
Nahoana no mankalaza ny Fetin’ny Reny isika?
A/Ny Reny?
1-Fanomezana’A/tra: Gen.2:18,21
2- Olona faharoa noforonon’A/tra, ka nataony « vehivavy »= Gen.2:23
3- Renin’ny olombelona rehetra ka nomen’i Adam anarana hoe: »Eva »= Gen.3:20
4- Loharano nipoiran’ny taranaka = Gen.4:1,2
5- Antoky ny fitaizana sy ny fanabeazana = nitondra vohoka 10 volana, nitrotro, nibaby, nitaiza, niankin-drindrina irery….(Tel mere, tel fille).
6- Endriky ny fitiavana feno= tia ny zanany!
B/ Ahoana hoy ny Baiboly?
-Manajaa ny Rainao sy ny Reninao, mba ho maro andro ianao = Eks.20:12
– Ataovy zay zay mahafaly ny Rainao ary aza mampalahelo ny Reninao ( Oh.10:1; 15:20) na manamavo azy= Oh.23:20)
-Tiavo izy ry Dada a ka aza sosotra aminy= Kol.3:19.
D/ Mankalaza ny Fetin’ny Reny isika satria?
1-Fampiharana ny Tenin’A/tra izany
– ho fisaorana @ zavatra rehetra indrindra fankasitrahana ny fisian’i Neny( 1- Tes.5:18).
-Fanehoana fitiavana sy fanajana ny Reny zay fanomezan’A/tra manokana ka nahitana masoandro!
3- Hamaliantsika babena azy
4- Hanomezantsika voninahitra azy
5- Hisaorantsika an’A/tra noho ny fisiany.
E/ Inona no azonao atao hoan’i Neny anio?
Koa hararaoty ny fotoana hananao ny Reny fa mandalo izao fiainana izao e! Hampifalio izy ka tiavo, omeo voninahitra sy hajao fa io no anao, dieny mbola velona!
Ohatra 1= Mahafantatra zanakavavy 2 samihafa aho, tonga aty andafy, tafita soamantsara, dia nanafatra ny Reniny avy mba hamangy azy sady hampifana azy aty, ka miaraka manao fety aminy androany aty andafy!
Izany no tena fitiavana sy fanajana ny RAD !
MBA AHOANA KOSA NY ANAO?
Tena mamy anie zany Reny zany e!
Nefa raha tsy manana atolotra ianao, dia vavaka atolotra hoazy @ zao anio izao fa zay no tena kadoa tsara indrindra ilain’i Neny!
Ny fiadanan’ny Tompo anie hoan’ny Reny rehetra sy ny ankohonana rehetra mino an’i Jesosy, Andrian’ny fiadanana! Amena!
P.Jaona