Ny Batisa
Fiadanana ho anao !
« Indro rano ka inona no misakana ahy tsy atao batisa? »( Asa.8:36).
Fanontaniana napetraky ilay tandapa etiopiana, mpivavaka tsara, namaky baiboly tao anaty fiarany, rehefa nandre ny tenin’A/tra notorian’i Filipo izy, dia nangetaheta ny atao batisa!
A/ Fa inona moa ny batisa?
= Mariky ny fibebahana ny batisa =Mat.3:5-8
= Fepetra ahazoana ny famonjena ny batisa =Mar.16:16
=Didy nomen’ny Tompo ny batisa = Mat.28:19; Asa.2:38
= Fandevenana ilay olona talohasady fitsanganana ho olona vaovao = Rom.6:4
= Fitafiana an’i Kristy ny batisa (Gal.3:27)
B/ Hoan’iza ny Batisa?
= Hoan’ny mpanota rehetra nibebaka ka nandray an’i Jesosy ( Mat.3:6; Jao.1:12)
= Ireo efa namoa voa miendrika ny fibebahana ( Mat.3:8)
= Eny fa na dia isika izay taranaka mpivavaka aza, toy ity tandapa etiopiana ity, ka mibebaka tsara, dia afaka miroso, manolotena hoatao batisa!
= Satria fanatanterahana ny fahamarinana rehetra ny batisa, ka na dia Jesosy aza dia nanatona hoataon’i Jaona batisa. ( Mat.3:15-17)
Aza mihevitena ho marina, fa mbola tsy tanteraka ianao. Ekeo ny fahalemenao, dia manatona hatao Batisa faingana fa efa ela no niandrasan’i Jesosy anao !
= Hoan’ny olondehibe afaka miaiky ny fahotany, fa tsy ny zazakely akory!
Tsarovy fa tsy misy mihitsy zazakely natao batisa ao @ Baiboly! Tsy nahita mihitsy aho!
Fa fanoloranjaza na fitsofan-drano ny zaza no fanao !
= Nanolotra an’i Samoela i Hana( 1 Sam.1:28)
=Nanolotra an’i Jesosy koa i Maria sy Josefa (Lio.2:22,28)
=Nentin’ny olona teo @ Jesosy ny zanany madinika ka notsofiny rano( Mat.19:13-14; Mar.10:13)
C/ Fomba fanaovana ny batisa?
Koa satria tandindon’ny fandevenana an’i Jesosy sy ny fitsanganany @ maty ny batisa dia atao anaty ranobe= Ony Jordana= rano mandeha.
= Asoka, halevina ao ilay olona taloha ka hivoaka avy ao ho @ fiainambaovao.
= Eo anatrehan’ny vavolombelona maro ny fandevenana satria fijoroana vavolombelona koa ny batisa hanambaranao ampahibemaso fa velona tokoa Jesosy ka nanova anao !
D/ Koa inona ary no misakana anao tsy atao batisa?
Fa indro ankehitriny no andro famonjena, ary indro ankehitriny no andro fankasitrahana. Tsy fantatrao ny havoaky ny ampitso!
Tapaho ny hevitrao, dia Mibebaha ka ario ny otanao dia manolora tena hoatao batisa, fa hoazonao koa ilay kadoa lehibe avy any andanitra dia ny batisan’ny Fanahy Masina sy ny Afo.
Fahasoavan’ny Tompo hoaminao !
Amena!
P.Jaona.