Ny fahaterahana indray

2024-04-2616h42

Toy ny Rano ny TA rentsika io, nomena mba ho fanasana anareo. Rehefa mandre ny toriteny isika dia manadio antsika izany!

Ny Fanahy Masina kosa no manova ny fanahintsika ho fanahy vaovao ka hahatonga antsika ho olombaovao( 2 Kor.5:17).

Ohatra= Mpanota 1 mibebaka,  miaiky ny fahotany rehefa avy nandre ny Toriteny,  dia noresen’ny Fanahy Masina lahatra ka nataony operation manokana= nesoriny ny fo vato ka nosoloiny fo nofo. Nesoriny ny fanahy ratsy ka nosoloiny fanahy vaovao! Manjary mahay mivavaka sy midera ny Tompo no mahay mitia ny olona rehetra!(Ez.36:25-27)

= Nomen’ny Tompo anarambaovao koa aza:-Abrama=Abraham. Saray= Saraha

Jakoba= Israel 

Simona= Petera

Saoly= Paoly

Ianao koa rehefa hateraka indray dia omen’ny Tompo anarambaovao any andanitra! Fantatrao ve zany?

B/ Fomba ahaterahana indray?

1- Manaiky an’i Jesosy @ vava ary mino Azy @ fo(Rom.10:9)

2- Miaiky ny fahotany ( Mat.3:6)

3- Mandray an’i Jesosy ( Jao.1:12; Apok.3:20)

4- Dia tonga ny Fanahy Masina manatanteraka ilay tsy vitan’olombelona: ( Ezk.36:25-27)

C/ Tena misy ve ny olona efa nateraka indray?

Eny dia eny. Zaho no anisany, manana daty nahaterahana 2 aho=

1- teraka ara-nofo= 13 Oct.1951

2- teraka ara-panahy = 12 Des.1965

Teo aho vao nanjary tsy nahay niteny ratsy intsony,  tsy nahay nandainga intsony,  nanjary miramirana sy feno fitiavana zany foana ! Tena hafa mihitsy zany manana ny Fanahy Masina ao anaty izany ka nantsoina hoe olomboavonjy!

Fa mba ahoana kosa ianao ?

Efa nateraka indray ve sa mbola velona ao ihany ilay olona taloha?

Aza mangatsk’andro intsony re fa efa ela izay nitondranao vohoka izay: atolory an’i Jesosy ny otanao rehetra fa zao fotoana mety, ka raiso ny Fanahy Masina mba hanadio anao !

Amena!

P.Jaona