Ny famonjena
« Anio no tonga @ity trano ity ny famonjena « (Lio.19:9).
Rentsika matetika io teny io nandritry fotoanan’ny Paska.
Fa iza tokoa moa no mila famonjena? Ary iza no afaka hamonjy azy ?
A/ Jesosy no Kristy, ilay Mesia.
= Ny olombelona rehetra, izaho sy ianao no very noho ny fahotana ka mila Mpamonjy(Rom.3:23)
Tsy misy afaka namonjy antsika afa-tsy Jesosy irery ihany izay nirahin’ny Ray hanolotra ny tenany ho sorona hoantsika teo ambony hazofijaliana ( Jao.3:16; sy Rom.5:8)
= Vitany teo ny famonjena antsika ka nanomezany antsika fofon’aina vaovao tsy mety maty intsony dia ny fiainana mandrakizay. (Jao.3:36; Jao.20:22).
B/Misy ve ny olomboavonjy?
Noho izay sorona vitan’i Jesosy izay dia misy tokoa ny olona voavonjy afaka t@ fanandevozan’ny ota, ka tafafindra niala t@ fahafatesana hoany @ fiainana, tsy mahay manota intsony satria naterak’A/tra, tonga olona vaovao (2 Kor.5:17; 1 Jao.3:9).
Eny tafafindra niala t@ fahafatesana ho@ fiainana izy= (Jao.5:24 ;sy 1 Jao.3:14)
C/ Ahoana no hahafantaranao fa voavonjy ianao?
= Rehefa avy nibebaka tsara ianao dia mitondra voa eo @ fiainanao ( Mat.3:8; 1 Jao.3:9); miampy ny vokatry ny Fanahy=(Gal.5:22)
Sady manana ny herin’A/tra ao anaty= (Jao1:12)
Ny Fanahy Masina koa manamarina aminao ao anaty= Rom.8:16
D/ Rahoviana no mety azo ny famonjena?
Izao anio izao=Lio 19:9 raha mety ianao!
= Raha vao mino ianao. ( Asa 16:30)
= Ka mandray an’i Jesosy ho Tomponao ( Jao.1:12)
Ry havana malala,
Efa voarainao ve ny famonjena nataon’i Jesosy hoanao ? Sa mbola very ihany ianao h@ zao, tsy manana antoka fa hoany andanitra raha miala ety?
Tsarovy fa efa nitsangana t@ maty efa 2.000 taona mahery Jesosy ary velona mandrakizay hoanao koa. Koa meteza hohatsangany koa na dia efa maty noho ny fahotana aza eo imason’A/tra, fa tia anao loatra Izy. Mibebaha re e, ary raiso ny Fanahy Masina dia ndeha mandroso hiaraka @ Jesosy hoany andanitra!
Ho aminao anie ny fahasoavan’ny Tompo!
Amena.
P.Jaona