Ny Baiboly
Haleloia, deraina Jesosy!
Ry havana malala, Anatin’ny herinandro masina isika zao: zay herinandro nialohan’ny nisamborana an’i Jesosy sy nanombohana azy ka nahatesany teo ambony hazo fijajiana ny Zoma hariva, ka hankalazaintsika hoe : » Zoma masina »!
Mamelah ahy hampahatsiaro anao ny @ ity zoma masina ity =
1- Andro nahatanterahan’i Jesosy ny fisoronana lehibe hoantsika. ( Heb.9:22; Rom.5:8; Jao.3:16), ka nosoniaviny ny Fanekena vaovao t@ ny hiaka hoe = »Vita » ( Jao.19:30), rehefa avy nisotro ny vinaingitra.
2- Andro nandevenana an’i Jesosy ( Jao.19:38-42).
Tena vitany teo ny famonjena antsika, tokony ho olon’afaka avokoa isika, tsy misy voafatotry ny ota intsony !
Jereo ange fa ireo teny 8 farany nataon’i Jesosy teo ambony hazofijaliana dia mamintina ny asa nataony tety antany, ka hahatsiarovanao ny anarany foana =
1- Ny vavaka nataony hoan ‘ny miaramila namono azy( « Ray o, mamelah ny helony, fa tsy fantany zay ataony' »).=Lc.23:34= Zanak’Ondrin’A/tra feno fitiavana.
2- Tonga hanome fanantenana ny efa anaty famoizampo (« Anio no hiaonako aminao any Paradisa) »= Lc.23:43
3- Namaha ny olon’ny kamboty sy mpitondra tena= »Ravehivavy, indro ny zanakao; Ralehilahy, indro ny reninao! »( Jao.19:26-27)
4- Fitarainany @ ny Rainy mivantana= » Ely, Ely, lama sabaktany !(Mat.28:46)= mampiseho azy ho ny Zanak’olona, mahatsiaro marary sy irery !
5- » Mangetaheta aho! »(Jao.19:28)= tena namahoriana tokoa Jesosy
6 – Nihiaka mafy Jesosy hoe: »Vita « : efa voaloako avokoa » ny vidin’ny fahotanao .( Jao.19:30)
7- Fanolorany ny fanahiny : » Ray o, eo antananao no atolotro ny fanahiko ! »(Lc.23:46)= tena Zanak’A/tra tokoa Jesosy.
Rehefa tonga tety antany Jesosy dia samy nahazo anjara taminy avokoa na ny vehivavy, na ny lehilahy, na ny jiolahy efa andalam-pahafatesana aza, indrindra moa fa ny fahavalony, mbola nanehoany ny fitiavany !
Na dia mafy taminy aza ny nitondra ny fahotantsika ka nandaozan’ny rainy azy dia niaretany h@ ny farany mba hamonjeny ahy sy ianao !
Raha mba fantatrao zany ankehitriny, dia inona no tokony havalinao azy @ izao zoma masina izao ?
Ndeha re hibanjina ny hazofijaliany ka hiantoraka eo antongotry Jesosy fa mbola ampy ny Rany hahadio anao, ka hamelona anao indray @ fiainambaovao e !
Hoaminao anie ny fahasoavan’ny Tompo Jesosy!
Amena!
Manaova Paska sambatra miaraka @ Ilay efa nitsangana hoantsika rehetra!
P.Jaona