Ny teny mahavelona
2024-02-0815h59
Ho avy tsy ho ela Jesosy, moa vonona ve ianao?
Maro ireo famantarana nambaran’i Jesosy ao amin’ny Matio 24 no efa tanteraka. Mila mitandrina mandrakariva isika sao voafitaka.
Ahoana ny fomba itandremantsika? mitazona ny finoana, miaraka hatrany amin’ny Fanahy Masina, mibebaka amin’ny fahotana
Inona ny tombontsoa azo amin’ny fiandrasana ny fiavian’i Jesosy?
Ny tombontsoa azo amin’ny fiandrasana ny fiavian’i Jesosy dia ny fananana anjara ao amin’ny toerana masina izay nomaniny ho an’ireo izay nitandrina ny amin’ny fiverenany. Isan’izany ve ianao?