Asan’ny Fanahy Masina

2024-02-0815h58

Asan’ny Apostoly 2:

1. Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra. 

2. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. 

3. Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’izy rehetra isan-olona izany. 

4. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.