Ny toriteny voalohan’i Jesosy
Fiadanana hoanareo!
Mba tsaroanareo moa ny toriteny voalohany nataon’i Jesosy?
Mat.4:17= » Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’A/tra! »
Fa inona moa no atao hoe fibebahana? Nahoana no tsy maintsy mibebaka ny olona? Ary ahoana izany mibebaka izany? Ahazoana inona ny fibebahana?
A/Inona moa no atao hoe: » Fibebahana « ?
1= Fitodihana @ A/tra. (Ezek.18:30)
2-Fiakena heloka fa mpanota mila famonjena. (Lc.5:32).
3- Fialana @ ratsy.( Ezek.33:11)
4- Fanonerana na famerenana izay nangalarina: toy ny nataon’i Zakaiosy( Lio.19:8)
B/ Nahoana no tsy maintsy mibebaka ny olona?
Satria samy efa nanota ka tsy misy manana ny voninahitra avy @ A/tra, eny tsy misy marina na iray aza.( Rom.3:27).
Ka lasa maty fanahy avokoa: (Rom.3:23)
C/ Ahoana no fomba fibebaka?
1- Manatona an’A/tra ( Jak.4:8)
2- Manaiky an’i Jesosy @ vava sy mino Azy @ fo (Rom.10:9)
3- Mandray an’i Jesosy ao ampo.( Jao.1:12 sy sy Apok.3:20).
D/ Ahazoana inona ny fibebahana?
1- ahazaoana famelan-keloka vitan’i Jesosy teo @ hazofijaliana. (Asa.2:38)
2- mitondra ho@ batisa mba ahatanteraka ny famonjena.
3- Ahafahana mandray ny FM.
E/ Koa vonona ve ianao mba hibebaka anio fa efa vonona ela miandry anao eo ambaravaran’ny fonao Jesosy hitondra famelana ny otanao rehetra!
Indro Jeso, mba voahy re fa hotsapanao mihitsy ny fahamarinan’ny TA hoe: « Sambatra ny olona zay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany ! »(Sal.32:1)
Fiadanan’ny Tompo anie hoaminao !
Amena!
P.Jaona mivady.