Mahatahiry izay natolotra Azy Izy
Voninahitra ho an’i Jesosy irery ihany.
Fijoroana vavolombelona fohy ny amin’ny nitehirizan’ny Tompo ahy amin’izao lalan’ny fihazakazahana izao.
Teraka tao amin’i JM aho satria JM ny rad-ko. Natao fanoloran-jaza aho. Nivoady ny rad-ko fa hampianatra ahy Sekoly Alahady, hitondra ahy amin’ny lalan-danitra. Mpitondra fivavahana izy ireo, ka dia nanaraka azy ireo foana izahay ankizy amin’ny fotoana rehetra misy fotoam-pivavahana, tsy andavan’andro tsy alahady, eny fa na dia ny asabotsy andro fifadian-kanina aza.
Rehefa nihatanora dia lasa nifindra monina tany ivelany, mamiratra ny tanàna, malalaka ny lalana ho amin’ny fahaverezana dia ny liberté hanao ny zavatra rehetra tsy misy mpino mitsikera sy mitsikilo. Kanefa ny vavaka nataoko dia ny hoe Tompo ô, aza avela ho very aho fa na dia ny ankihikeliko aza sisa no ho voatazonao dia tazony aho. 20 taona lasa izay no nialàko tany Madagasikara ary dia tena nitahiry ahy ny Tompo, tsy menatra mitondra ny Anarany aho, ary Izy koa tsy menatra miaraka amiko.
Ho anao koa, aza adino fa ny devoly dia tena manao izay azony atao handripahana anao, hisamborana anao sy hamatorany anao. Betsaka ny fahafinaretana hita aty ivelany, toa tsy ilaina ny mivavaka, kanefa tsarovy fa rehefa natolotrao an’i Jesosy ny fiainanao dia efa Azy ianao. Aza miala Aminy fa hiahy anao Izy amin’ny lafiny rehetra. Amena